Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
Trafic des ressources naturelles de Madagascar: Parlons-en!
22 septembre 2015

Kolikoly eny amin’ny andrimpanjakana : miroso amin’ny fihainoana ny depiote sy ny HCC ny Bianco

Ankoatra ny fanaovana tatitry ny asa vita ho an’ny taona 2014, nitondra fanazavana amin’ireo raharaha samihafa momba ny ady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny hiatrehana ny vina sy ny ho avy.

Vita ny fanamarinana ka miroso amin’ny fihainoana ny eny anivon’ny Antenimiera amin’ny olona voakasika izany izahay. Betsaka ny resaka momba io kolikoly eny Tsimbazaza sy ny eny Ambohidahy io saingy anaovana antso avo amin’ny rehetra ny porofo sy ny vavolombelona”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis, omaly teny Ambohibao. Anisan’ny niteraka resabe teny anivon’ireo andrimpanjakana roa ireo ny vola na ny “malety” tamin’ireny fanonganana ny filoham-pirenena sy ny fitsipahana ny governemanta ireny.

       Nanaovan’izy ireo tatitra koa ny momba ireo dosie mafampana  toy ny momba ny lehiben’ny faritra iray, ny kolikoly eo anivon’ny Jirama ary koa ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena. “Anisan’ireo antontan-taratasy 10 lehibe efa vita fanadihadiana ny momba ireo ka nahavoasaringotra olona 104. 76 kosa ireo voasambotra sy nampiakarina eny anivon’ny fitsarana (Chaine pénale) ka iray nampidirina am-ponja vonjimaika”, hoy ihany izy.

Kolikoly eo anivon’ny Jirama sy ny trafikan’andramena

Ho an’ny Jirama manokana, vita ny fanadihadiana momba ny kolikoly ary nalefa eny amin’ny fitsarana. Anisan’izany ny fifanarahana amin’ny orinasa mpamokatra angovo sy ny fifanarahana amin’ny fitaterana solika ary koa ny fanofana ny “groupe”.

       Momba ny resaka trafikan’ny andramena ka nahavoarohirohy olobe iray any Sava, naverin’ny fitsarana ny dosie, araka ny nambarany. “Tsy mbola feno sy vita ny anjaran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Haverinay eny amin’ny fitsarana izany rehefa vita”, hoy ny Bianco.

       Na eo aza izany, nilaza ho tsy afa-po amin’ny vokatry ny asany ny Bianco. Nohitsin’izy ireo fa ilaina ny fanamboarana ny rafitra sy ireo dingana samihafa, ary efa tafiditra amin’ny paikady vaovao hiadiana amin’ny kolikoly izany. “Mihevitra izahay fa efa vita tsara ireny dosie alefa any amin’ny fitsarana ireny nefa mahalasa saina ny vokatry ny asa  satria tsy mifanaraka amin’ny zava-misy”, hoy ihany ny talen’ny Bianco.

Fanavaozana ny lalàna sy ny sazy

Tokony samy handray ny andraikiny koa ny rehetra, indrindra ny manampahefana, araka ny nambarany. “Ny fiarovana sy ny fisakanana ny trangana kolikoly no anisan’ny tokony hatao, manomboka izao”, hoy izy.

       Tafiditra ao anatin’izany koa ny hanavaozana tanteraka ny lalàna sy ny sazy tokony hampiharina manoloana ny resaka kolikoly. Eo koa ny tokony hampitomboana ny tetibolan’ny Bianco sy ireo rafitra mpanaramaso rehetra, toy ny mpisafon-draharaham-panjakana sy ny mpisafon-draharahan’ny fitsarana.

       Tsiahivina fa hampahafantarina ny filoham-pirenena sy ny vahoaka malagasy amin’ny herinandro ho avy io ny  paikady vaovao hiadiana amin’ny kolikoly. “Andrasana ny fampiharana azy mba tsy ho eny ambony latabatra fotsiny ihany”, hoy ihany Andriamifidy Jean-Louis.

Synèse R.

http://aemw.org/kolikoly-eny-aminny-andrimpanjakana-miroso-aminny-fihainoana-ny-depiote-sy-ny-hcc-ny-bianco-newsmada/

Publicité
Publicité
Commentaires
Trafic des ressources naturelles de Madagascar: Parlons-en!
  • Journalistes ou simples citoyens? Partagez vos infos avec preuve sur les trafics des ressources naturelles de Madagascar à traficmadagascar@yahoo.fr [!!Contacts confidentiels!!] Vos avis sont libres aussi en cliquant sur "commentaire" en bas des articles
  • Accueil du blog
  • Créer un blog avec CanalBlog
Publicité
Archives
Publicité