Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
Trafic des ressources naturelles de Madagascar: Parlons-en!
28 septembre 2015

Trafika andramena : novakian’ny andian’olona nanao fanamiana miaramila ny toeram-pitahirizana (NewsMada)

Nisehoana famakiana toeram-pitahirizana entana, feno andramena mahatratra 200 taonina tany Analila Mananara Avaratra, ny 11 aogositra teo. Hafakely ny endrik’ilay tranga satria andian’olona nanao fanamiana miaramila no namaky ilay trano an’ny Sinoa iray lasa any Sina. Araka ny loharanom-baovao, voalaza fa tompon’antoka tamin’izany i M.J.E. Mpiray tsikomba taminy i R., tompona hotely iray, nivarotra ireo andramena 400 tapitrisa Ar tamin’i M.J.E. Mpiray tsikomba tamin’i R. koa ny tompon’andraiki-panjakana maromaro samihafa tany an-toerana.

Mahavariana amin’ity raharaha ity, nolazaina fa nisy ny fivoriana ny 12 aogositra ary nidina nanadihady tany an-toerana ny fanjakana. Nasaina nametraka fitoriana amin’ny olon-tsy fantatra (X) i R., ilay tompona hotely, mba hiarovany tena. Mety hatao anton’ny tranga ve hoe norobain’ny fanjakana ireo andramena?

Andramena 10 taonina tratra tany Fenoarivo Atsinanana

Ny alarobia 19 aogositra teo indray, tratran’ny zandarimaria ny sambo iray nitondra bolabola andramena 90 isa, tombanana 10 taonina, saika haondrana an-tsokosoko. Notakonan’ireo mpanao trafika tamin’ny loko ny anaran’ilay sambo ary nitsoaka ny tompony. Giazana ao amin’ny tobin’ny zandarimaria any Fenoarivo Atsinanana ilay sambo sy ireo andramena tao anatiny.

Tsy hita sy tsy fantatra mihitsy ny hetsika mivaingana tena ataon’ny fanjakana. Hanamarinana izany, mitohy foana ny trafika andramena. Navotsotry ny fitsarana “chaîne pénale” ny voarohirohy, voalaza fa anisan’ny tena atidoha. Tsy navelan’ny solombavambahoaka ho tanteraka ny fananganana ny fitsarana manokana amin’ny andramena, nandritra ny fivoriana ara-potoana farany teo.

Fepetra takina ny ady amin’ny kolikoly

Lazaina fa manao fanadihadiana manisa ny andramena, ao anatin’izany ireo tahiry giazan’ny fanjakana ny hetsika tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Tsy nisy tatitra nivoaka na iray aza nampahafantarana ny besinimaro. Anisan’ny fepetra takin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena anefa, ny fametrahana fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fandripahana ny harem-pirenena. Takin’ny fanjakana amerikanina koa ireo raha tiana ny hanohizana ny tsena Agoa.

Randria

http://aemw.org/trafika-andramena-novakianny-andianolona-nanao-fanamiana-miaramila-ny-toeram-pitahirizana-newsmada/

Publicité
Publicité
Commentaires
Trafic des ressources naturelles de Madagascar: Parlons-en!
  • Journalistes ou simples citoyens? Partagez vos infos avec preuve sur les trafics des ressources naturelles de Madagascar à traficmadagascar@yahoo.fr [!!Contacts confidentiels!!] Vos avis sont libres aussi en cliquant sur "commentaire" en bas des articles
  • Accueil du blog
  • Créer un blog avec CanalBlog
Publicité
Archives
Publicité